Appel Au don Version Malagasy

  • VIEN Jean François Mozambique

Diego-Suarez no tanàna nahaterahako sy nahalehibe ahy.

Diego Suarez,

“Any no misy sira”

Mbola tadidiko

Ireo fomba nentim-paharazana

Izay nianarako tamin'ny olo-be

Fomba entina manaja, mangataka...

Tsy miova ny fahatsapako

Noho ny hakantony sy ny fahatoniana manjaka ao

Mitsiky aho raha vao maheno ny anarany

Mamerina indray ny zava-drehetra nangoniko lalina tao

Diego Suarez,

Hosodoko iveloman'ny fahasamihafana

Izay harena hita ao anaty firaisankina

Nosy nanoratana tantara

Mihira hatramin'ny ranomasiny

Namolavola azy ho tsara izay rehetra efa nandalo tao

Tamin'ny hehy, fa eny, na dia fony zanatany aza

Ary izay rehetra mipetraka ao dia manohy mba hampamiratra azy

Diego Suarez,

Tanàna feno loko!

Manasongadina ny kolontsaina tsirairay

Na avy any atsimo ianao, na avy any atsinanana na avy any andrefana

Hanao izay hahatamana anao ny mponina ao

“Mbôlatsara”, ilay fomba fiarahabana mahafatifaty

Ary tsy ho lany atao

Afaka manao Kitsurf, mitsidika, manjono, mitsangatsangana

Ny torapasiky Ramena no nampianatra ahy hankafy ny tontolo andro

Nanosika ahy hanonofy ny rivotra, ary avy eo koa hisidina

Mahavariana ny zavamananaina, tontolo iainana,

Toerana ho an'ny zavaboary, lova mambabo

Miaina ao ny fanahy malagasy

Toerana mavitrika ahafahanao mahatsapa:

Ny maha-izy azy an'i Madagasikara

Vatosoa sarobidy, jiro ho antsika

Voarandrana isaky ny naotinà mozika tsirairay ny kolon-tsaina,

Noho ny hetsika ara-javakanto dia miverina miaina

Ny fomba iray voahaja, dia mampanako ny fireharehana, izay efa niorina tao.

Na izany aza nefa,

Miatrika fanamby ny Helodrano

Manomboka amin'ny olan'ny angovo,

Fandripahana ala,

Afon'ny kirihitra,

Fisitrahana ny rano,

Fitantanana / fandaminana ny fako,

Fandotoana an-dranomasina

Ho an'ny taranaka ho avy,

Ny lasa no mila fantarina sy tehirizintsika

Ka misy tetikasa teraka ity

Trano, trano ialofana,

Mba ho velona ny tantarantsika

Aoka isika rehetra no hiara-handrafitra,

'Ndeha hihady lalina,

'Ndao fa ho hita ilay fitiavana mampientam-po,

Andao hampiasa vola hitehirizana

Ny hasarobidin'ny Helodranontsika, fantatra maneran-tany noho ny hatsarany

Ny Trano Helodranon'i Diego-Suarez [na ny Mozea Helodranon'i Diego-Suarez na ny Foiben'ny Fahitana Helodranon'i Diego-Suarez,] dia toerana natokana ho an'ny Helodrano, ny tantarany, ny bibidia miavaka ao aminy ary ho an'ireo olona mbola mamelona azy io.

Noho ity Mozea ity dia hitondra anao hitsidika ny Helodranon'i Diego-Suarez aho, tranombakoka tantara voajanahary tena mahavariana. Io no hany tranombakoka virtoaly sy mivantana ao amin'ny Helodranon'i Malagasy izay ahafahanao mahazo ny harena voajanahary rehetra ao amin'ny Helodranon'ny Diego-Suarez sy Madagasikara.

"Eo no manomboka ny dia".

Manasa anao izahay hanampy anay amin'ny fanatanterahana izany, na amin'ny fahalalana ara-teknika na ara-tsaina na amin'ny tosika ara-bola.

Andao hiara-hanenona ny ho avin'i Diego.

Ny fahalalahan-tananao dia mandrafitra tantara, ny fanomezana tsirairay dia miova ho fandresena.

Mifandraisa amin'ny mpitarika ny tetikasa Andriamatoa VIEN Jean François MOZAMBIQUE.

Téléphone :

+261 32 44 489 43

+261 34 56 135 95

+261 33 37 055 17

Mail :

vienjeanfrancoismozambique@gmail.com

« Maison de la Baie de Diego-Suarez »

« Musée de la Baie de Diego-Suarez »

« Centre de Découverte de la Baie de Diego-Suarez »

#TourisM

#Touristech

Igers Madagascar

Association de la Baie de Diego Suarez

« TourisM, l’identité de Madagascar »

« Tech-AIDMadagascar, pour une solution digitale qui révolutionne »

« Maison de la Baie de Diego-Suarez , là où commence le voyage »

Actualités

Cette rubrique partage des informations concernant les nouvelles de l’Association, de la Maison/Musée/Centre de Découverte de la Baie de Diego-Suarez et de Madagascar,Tech-AIDMadagascar ainsi que les nouvelles offres et programmes qu’elle met en œuvre via les activités qu’elle propose.

Vania

Une révolution pour l’agriculture à Madagascar.

Claudia
Plus Détail

TourisM : L’application qui révolutionne le tourisme à Madagascar.

Présentation de TourisM / L'application qui révolutionne le tourisme à Madagascar

Claudia
Plus Détail

MBM : La plus grande plateforme business et e-commerce de Madagascar

Présentation de MBM / La plus grande plateforme business et e-commerce de Madagascar

Claudia
Plus Détail

B-Investissement : La solution Fintech qui transforme l’économie malgache

Introduction à B-Investissement / Présentation de la solution Fintech, ses objectifs et ses avantage

Claudia
Plus Détail

B-Investissement : La solution Fintech qui transforme l’économie malgache

Introduction à B-Investissement / Présentation de la solution Fintech, ses objectifs et ses avantage

Claudia
Plus Détail

Vania : La plateforme qui révolutionne la mise en relation entre agriculteurs et fournisseurs

Mise en relation / Comment Vania facilite la connexion entre agriculteurs et fournisseurs

Claudia
Plus Détail